hira72 | 29 Aogositra, 2006 13:32
Ho an'izay mankafy ireo hira nampalaza an'i Ejema,feonoamby,salala,rakoto frah ..
Aza misalasa jereo eto:
http://gasy72.livedigital.com/blog
ataovy copier coller io adresse web io fa ho hitanao
hira72 | 23 Aogositra, 2006 07:04
Mba tsy nisy natao androany dia mba nanala azy nanao blog kely nasiako ireo
hira 45 trs fahiny efa tsy fahita intsony ireny.Ao ohatra ry jean fredy,ry tongarivo sns,maro tsy voatanisa no ho hitanao ao sady azo henoina tsara tsy mila lecteur winamp sns,rehefa misy flash player ,na java fotsiny dia efa masaka.
Miaraka amin'ny tonikira izy ireo (tsy ny rehetra mazava ho azy)
Ka tsindrio ny hoe hihaino hira dia vita ny afera.
Hira an-jatony maro no nataoko ao ka aza misalasala mihaino fa ao na mahaleo(hira am-polony),kaiamba (rehetra),njakatiana(Hira am-polony),Samoela sns......
raha misy manana hira atolotra dia mba alefaso ao amin'io site io fa apetraka
Ny tanjona dia ny mba hahafahan'ny hafa hankafy ny hira tena malagasy.
Marihina anefa fa izao mametraka hira fa tsy manome hira en téléchargement satria mba miaro ny zon'ny mpamorona ihany koa.
ka indro ny lien misy ilay blog:
http://gasy72.livedigital.com/blog
hira72 | 08 Mey, 2006 09:02
mba sendra ni surf tamin'ny net raha ny bandy kely androany dia sendra ilay logiciel fanorona novokarini moo studio le aza an.Tsara aloha ilay izy e!tena niaky mihitsy aho,izany hoe tena saika hi -programmer jeu fanorona tamin'ny alalan'I KPL ah ny tena marina fa tena nanirikiry hy ilay izy satria compliqué be mila miova tactique isaky ny attaque mantsy ilay izy ka mila olona efa mahafehy tsara an'i KPL.Java koa aza ny an'ny sasany fa vita tsara an.Fa ity netborad 2 ity kosa aloha tena tsara e!Na ny endriny na ny filalao ao anatiny miaraka amin'ny table vita gasy ne feo ao tsara dia tsara na dia anglais sy français aza ilay izy dia misy mozika gasy en ond tena tsara e!Mba jereo ihany reto fa tena gasy io an.
Fa ny olana kely tamiko dia izao:Tsy dia lalanan'ny fanorona feno no ampiasainy fa miampy kely tahaka ny hoe:mahazo mandingana case maro ianao rehefa mitifitra fa tsy voatery hoe case iray ihany.Izany hoe ny adveraire na misy case 5 aza ny manelanelana anao aminy dia azona tifirina.afaka milalao en ligne ianao ,en réseau na dia tsy dia mandeha tsara aza ilay izy ,na contre le CPU.Mba misy fikambanana fanorona ve any madagasikara sa ahoana e?
hira72 | 04 Mey, 2006 19:50
Tsy dia misy ambara loatra anio ankoatra ny areti-nify somary namely kely hatry ny omaly ka hatramin'izao manoratra izao.nanao tsinontsinona ny nify ihany mantsy ny bandikely tany amin'ny tanana ka nihinana izay tsy fihinana rehetra,ny bonbon sy ny sisa moa tsy noferana mihitsy.Taty moa vao tena nahita fa tsy fatao ambanin-javatra io nify io.Goaka be mantsy ilay nify nefa moa raha tsy nararay tsy novakiana loha ka teo vao tena hita fa tena tsy laitra ity areti-nify ity.
Iza marina aloha no olona efa narary nify no tsy mahalala izany hoe tena marary izany.Ataoko fa raha aretina mpahazo ny olona andavanandro ka isan'ny henjana indrindra dia ity areti-nify ity.Na izay miseho ho azy ho henjana indrindra aza mitomany rehefa tena sendra izy manaikitra be iny.Ianao amin'io tena te tonga dia haka pince dia tonga dia hanongotra azy avy hatrany,nefa dia miahotra kely satria na dia ny hikitika ilay nify aza tsy vintanao ,ny vatanao mangovitra,ny tongotra malemy,ny ranomaso latsaka,ny hatsembohana tsy lazaina intsony.Sady ilay adala moa araka ny mahazatra dia tsy mihetsika raha tsy alinany andro.Ianao amin'io tsy manana fanafody ao an-trano,ny pharmacie mihidy.
Io anefa no nahazo ny bandikely omaly,ny olana anefa ,na dia nisy fanafody aza tato an-trano satria moa matetika ny olona aty dia manana toerana kely fitehirizana fanafody isan-tokantrano,dia tsy dia nandaitra tamiko loatra ilay fanafody fa tsy haiko ny antony.Ankoatr'izay tsy azo hanina raha tsy isaky ny adiny efatra ilay izy ka dia nijalijaly mihitsy aho teo.Novakiana ny boky roman mba hanalana azy ka tsy namely:Ka hatramin'ny roman an-dry ASIMOV avy no nandalo teo fa tsy nanova azy,nalefa koa science&Vie ,ny boky tunning,nojerena ireo sarina sipa fa hehe tsy nanova azy e!Tsy hino angamba ianao raha hilazako fa hatramin'ny baiboly avy no novakiako alina fa tsy nanova zavatra:((
Dia ny nahatsikaiky sady nanirikiry moa dia vao mainka i lery nanaikitra rehefa iny namonjy fandriana iny aho.Niolankolana teo aloha,ankavia,ankavanana,mitsilany,mitsingolika,mivezivezy manerana ny trano,mijery ora kely ,mody mieritreritra zavatra hafa nefa ilay nify mbola aoan-tsaina foana,nankao amin'ny salle de bain,nanao bain de bouche kely,nankao amin'ny garage nijery pince hanongotana ilay nify nefa dia nieritreritra hoe :raha handeha ra be eo io dia ahoana??
Tsy nahartra moa ny farany,dia nivoaka ny trano,petite foulée kely eny amin'ny arabe,ny ora amin'io efa minuit:nefa moa aty tsy dia atahorana tahaka ny tany amin'ny tanana fa ny poulet(polisy) no manirikiry taorian'ireny Crise des banlieux
Dia niaverina natory moa dia nijalijaly teo dia indro fa amin'ny enina ora sahady dia nitsangana dia izao manoratra eto amin'ny blaogy izao:draidraidray......kay....izay fa manomboka marary indray ilay nify fa vonjeo e!!!!!!!!!!!!!avelako eto ianao fa tena manomboka mamely indray lery ity.
hira72 | 04 Mey, 2006 01:47
Dia indro Ranaivo mandondona ao ambaravaran-Drajao
-Manahoana Ianao Rajao
-Manahoana,Fa misy inona no tonga vao maraina izato izy
-Tsy izany fa tena nokekerin'ny alikanao ny rafozambaviko omaly
-Hay hay loza izany,Aza matahotra fa afatotro izy raha izany,ka inona no azoko atao,mila fanonerana va ianao sa ahoana?
-Draidraidray tsy mila fanonerana aho akory sanatria,fa mba tiako hovidiana hoy aho io alikanao io!!!!!!
hira72 | 04 Mey, 2006 01:29
Notapahiko ange lety ny rambon'imavokely e (alika)
-Fa nahoana le aza an
-Ka ho avy ange rafozambay sabotsy e!
-Dia inona ny ifandraisany amin'ny rambo tapaka
-Ka sao hihevitra eo ange rafotsy hoe misy faly amin'ny fahatongavany e!
hira72 | 04 Mey, 2006 01:29
Comment le capitaine Crochet est-il mort?
- En se grattant les couilles.
hira72 | 04 Mey, 2006 01:29
-Dada dada,jereo fa misy sambo iry e!
-Tsy sambo lesy iny fa Yacht an.
-Dia ahoana ny fanoratra izany aza?
-Hay marina tokoa ny lazain'ialahy,sambo tokoa iny!
ha ha hahira72 | 02 Mey, 2006 12:14
Indray andro hono ,dia iny dadabe mangovingovitra miaraka amin'ity zafikeliny mitsidika ny saha ary mananararaotra ny andro tsara !
Dia hoy ingahirainy:
-"Mba tsara letsy ny natiora sady vita tsara "
Tsy tapitra akory anefa ny tenin'ingahibe dia indro vorona nametaka kadoha tsara tarehy teo an-tampondoha solan'ingahibe "
Dia tapaka ny tsinain'izandrikely
"Dia mbola hilaza ihany ve ianao fa vita tsara ny natiora"
"Ka hoy ingahirainy dia tsy isalasalana letsy izany,eritrereto hoe iretsy ombivavy iretsy no nataony nanan'elatra!"
ha ha ha ha
hira72 | 02 Mey, 2006 12:02
indray andro hono!Dia ity zazavavikely iray nanontany ny mamany ny fomba niaviany teto an-tany
"Fa ahoana kay ry mama no nahatongavako teto amin'ity tany ity"
Dia namaly mamany sady nifidy tsara izay teny hambara:
"Andriamanitra no nanome anao anay "
"Dia ianao koa ve tahaka izany ry mama,izy koa no nanome anao?"
"eny izy ihany koa"
"Dia Dadabe ,Nenibe,dia ny ray aman-dreniny koa ve?"
"Eny izy rehetra ireo"
Dia namaly ary ity zaza izay fantantsika ankehitriny fa malala zavatra ka nilaza hoe:
"Dia Raha azoko tsara izany dia tsy nisy nanao firaisana mihitsy tato amin'ny fianakaviana Nandritra ny 200 taona? :)))"
hira72 | 02 Mey, 2006 05:45
fanontaniana kely:
Ahoana e!ny aty tsy dia misy vaovao fa dia mba mitantara ny zava-misy
Fa ity mba misy fanontaniana kely :Voalaza matetika fa ny sipa gasy dia maka tahaka ny sipa vahiny ,ny frantsay izany.Izaho aloha tsy dia tena miombo-kevitra amin'izany loatra e! Fa izao,hitako aty fa misy ireny sipakely ireny manao babakoul izany hoe ireny sipa manao akanjo hafahafa ,misaritaka,loko maro mifangaro somary peace and love tsy haikohaiko izany.Ny volo asaritaka dia atao izay hikorontanany indrindra.
Mba misy ireny ve any amin'ny tanana any????Toa tsy haiko inoana raha misy izany any satria hitako aty fa na dia manao izany aza ny sipakely,ny olona toa efa zatra mahita azy ireo ka tsy mivakiloha fa ny any amin'ny tanana kosa aloha dia tsy ohatr'izany mihitsy e!Jereo ohatra hoe misy bandy manao tresse any amin'ny tanana,ny maso mijery azy dia tsy tambo isaina intsony;ka eritrereto hoe sipa !!! dia tsy haiko aloha e!mba fanontaniana ny ahy.
Dia andeha indray aza hojereny ireny gothique ireny,sipa na bandy manao akanjo mainty ,tia loko mainty ambony sy ambany am-paladia ka hatrany an-tampindoha.Dia misy ireny koa ve any an-tanana.??
dia mba fanontaniana ihany e!!!!!!!!!!!!
Fa mba inona hono ny tena malaza any an-tanana any e? Toa tsy misy blaogy milaza ny zava-misy any mada eto raha ny fijeriko azy.Nojereko avokoa ny blaogy teto fa ny milaza ny zava-misy toa tsy misy!!
Resaka jeu video:
eh oui ,mba tia jeu video koa ny bandy,Mba inona ny jeu video malaza any amin'ny tanana any le aza an!Ny aty izao dia ity fivoahan'ny xbox 360 ity no tena mameno ny sehatra .toa efa miheritreritra ny hanary ny PS2 ny olona aty na dia hoe mbola ho ela aza vao tena ho afaka amin'izany.Ny any amin'ny tanana raha tsy diso aho dia mbola PS1 no bobaka an?? diso ve aho sa ahoana? tara ve isika ?
Tsy mba misy ireny fikambanana mpankafy jeu video ireny ve any e?Mila miezaka kely isika raha ny fijeriko azy amin'ity resaka technologie ity !Rha ny fantatro mantsy dia mbola misy ireny biraom-panjakana ireny no tsy manana ordinatera akory ,ary raha ny tsao henoko aza dia toa misy birao tsy manao machine à écrire !!!tsao ve sa tena marina?
Raha ny fijeriko ny aty mantsy dia connecté amin'ny intranet daholo aty ny biraom-panjakana rehetra ary dia tsy azo sainina izany hoe misy birao tsy manana ordinatera izany.Tara isika,tsy azo lavina izany?inona ny antony?c'est evident :kamo ny fanjakana ary tsy te hiezaka akory!Toa zary efa mahazatra ny mahita ny fahantrana!
hevitra ihany ny ahy!Nefa angamba mba misy marina ihany;mampalahelo raha ao anatin'ny farany lalandava isika gasy.Baolina kitra:farany;lomano:farany;tennis:farany;sns.....farany.
Gaga aho tsy ela izay nanao football tany amin'ny Fac,isan-kasabotsy mantsy matetika dia na manao basket aho na manao foot:ka inona hono no nahagaga ahy ?tsotra:
Raha nanontany ny namana iray aho hoe:aiza isika no hanao foot dia hoy izy:misy terrain foot kely mananihany izay atsy ka ao isika no hanao,mahazo manao foot ao avokoa izay te hanao:Raha vao niditra ilay terrain anefa aho dia talanjona:
Voalohany:
Nanontany ahy ilay namana iray hoe:nareo any madagasikara any ve mba manao foot sa ahoana? Toa mba nisy fotoana henoheno ianareo gasy tamin'ny championnat d'afrique!
Dia ny tena moa tia tanindrazana ihany ka tsy te hanavasoka ny firenena manoloana ireto vazaha sy akama avy ao afrika maro ka dia nilaza atsanga tsy aman'orana teo.Nivoaka teo avokoa ny hoe madagasikara atsy ho atsy dia ho lasa lavita mihitsy ,ny terrain synthetique avokoa!Ny zavatra impossible rehetra e!dia nahafinaritra moa fa dia ninoa koa ry vendrana!
fa ny tato an-tsaiko kosa dia izao:Raha mba fantatr'ialahy moa lesy fa na I Mahamasina aza terrain national an'ny gasy,an'ny fanjakana malagasy,Ahazoana fanampiana avy amin'ny FIFA sy ny sisa,tsy tahaka ity lazain'ialahy hoe terrain kely ity:
-Tsy gazon akory ilay terrain kely fa synthetique tsara tarehy (faly ery ny tenanay manao tacle sy mianjera migorisa (Manaova izany ao mahamasina sy Alaraobia dia hitanao fa mahafinaritra be mihitsy fa mialoha izay manafara platre ho anao !lol)
-Voafefy tsara ilay terrain kely,ny but vita tsara,tsy misy gradin aloha e!
-ny manodidina misy ilay fanaovana fanatanjahan-tena,(athlétisme izany)tsy hoe fanaovana compétition akory fa fanaovan'ny olona fanatanjahan-tena isa maraina!tsy mino ahy ve ianao? manontania olona hafa!
-Voarara anefa ny miditra ao manao kiraro tsotra ,manimba terrain sy ny sisa!
jereo Alarobia fa mba efa teny ihany aho!n'importe qui peut entrer dans le terrain!efaniova ve sa mbola tahaka izany? tsy haiko anjaranao ny mamaly.
Tsy te hanao comparaison aho!hisy indray ny hilaza hoe Gasy lasa any indra ity !tsy manino ambarao izay tianao fa izao no lazaiko!Tsy mahatsiaro tia tanindrazana ny olona raha tsy lasa any an-tany lavitra!
Tsy hino angamba ianao raha hilaza fa en boucle no hihainoaka ny CD mahaleo,Din rotsaka sy ny hira gasy sy ny sisa aty!Raha toa ka halako ary tena mampandositra ahy ny mihaino hira gasy fahiny tany madagasikara !aty na hira gasy isan'izay halako tany mada aza dia tonga ankafiziko aok'izany.
Tsy hino angamba ianao raha hilazako fa andro vitsivitsyizay namindramiko namana vazaha iray izay ilay CD bilo tato an-trano tato!asa na fantatrao hoe inona ilay CD bilo!CD misy ireny hira fahiny irany ,feom-baliha sodina,misy an_dry justin valiha,,rakot frah raha tsy diso aho!Tsy nomen'i lery intsony ilay CD satria ankafiziny aok'izany!isaky ny mba mnkany aho dia en boucle ny fihainoan'i lery ilay CD!
Nabaoh sy Tempo gaigy izay tena halako tany an-tanana avy aza ka henoiko aty lol!Tsy lazaina intsony moa nyfankafizan'ny ankizy ny hiran'i Ifanihy ilay hoe Ilemena ato an-trano!Nafeniko moa ny niafaran'ilay CD satria nentin'i zandry kely tato a-trano tany ampianarany ilay Cd mba asehony ny mpampianatra sodina azy hono hoe mahay sodina ny gasy (rakoto frah sy ny sisa)
hira72 | 01 Mey, 2006 00:53
Miarahaba izay sendra mandalo eto e!!Dia inona hono ny vaoavao sy ny azo ambara?? Ny tenako efa andro vitsivitsy izay no tsy nandalo teto amin'ny blaogiko ka tsy naharaka ny vaoavao farany nitranaga teto.
Ka inona hono ny nalaza nandritra izay andro vitsivitsy tsy nitantarana izay???
Ny omaly aloha no anombohana azy e:
Dia omaly aloha dia ny nahatsikaiky no betsaka e!Omaly dia mba vacance moa ny fac ka dia nihodina kely nanala azy:Dia satria lahady ny dia mba niangavy ahy ny akama mba handeha handeha ho any amin'ny assemblée an'ny Témoins de Jehovah:Izany hoe ny tena tsy nivaky loha loatra ny angano sy ny sisa notantaraina tao fa I eric no niangavy ahy handeha tany fa toa hoe misy sipa vazaha milay be reven'i lery izay tao:
Raha ny henoko dia toa hoe tena milay be mihitsy ilay izy ka na dia tsy mpandingana fiangonana aza izahay mitsamy dia mba handeha ho any ihany sao mba ao rasipa!(ialana tsiny aminareo mpivavaka e)
Inona anefa fa tsy loza fa tamin'ilay farany teo alina ny andro ka tsy hita tsara ny endrik'ilay sipa ka dia hoe :milay be e!Ny nahatsikaiky anefa dia omaly dia hita fa tsy dia tena milay be ahoana akory ilay izy!Ny endrika aloha milay be mihitsy e!fa ity tongotra sy ity fandeha dia tsy ao mihitsy.Io matetika no tena tsy hitovizan'ny sipa eto amin'ny sipa avy any an-tanana !Ny sipa any an-tanana izay lazaina matetika fa maka tahaka ny sipa aty dia rehefa dinihina dia mahay mandeha tsara ,voakajy tsara ny fandeha fa ity sipa ity kosa na dia misy endrika aza dia misababaka aok'izany ka dia niala miadana ny tary le aza an!
Voa tonga aloha rasipa dia niarahaba avy hatrany nanolotra tanana:Ny akama fa indindra indrindra fa eric moa kivy avy hatrany ka nitady lalana handosirana .
Dia vita hatreony tantara:Dia ho kalma indray aloha izany izao ny tanana.Fa tsy ho any handritra ny volana vitsivitsy e!lol
hira72 | 23 Aprily, 2006 01:29
slt daholo e! tsy dia nisy ambara firy nandritra ny andro vistivitsy fa izao vao afaka nanisy lahatsoratra :
ity misy lahatsoratra kely mety hahasoa anao e:ahafahanao manao test kely hahafantaranao hoe iza tokoa io namano io:
Un ami ordinaire ne vous a jamais vu pleurer.
Un véritable ami a eu les épaules humides de vos pleurs.
Un ami ordinaire ne connaît pas le prénom de vos parents.
Un ami véritable a peut-être même leurs numéros de téléphone
dans son carnet d'adresse.
Un ami ordinaire amène une bouteille de vin à votre fête.
Un ami véritable vient avant pour vous donner un coup de main et
après - pour vous aider à ranger.
Un ami ordinaire est contrarié que vous l'appeliez quand il est
déjà au lit.
Un ami véritable vous demande avec inquiétude pourquoi vous n'avez
pas pu l'appeler avant.
Un ami ordinaire aime parler avec vous de vos problèmes.
Un ami véritable aime vous aider à les résoudre.
Un ami ordinaire, lorsqu'il vous rend visite, se comporte en
invité.
Un ami véritable ouvre le frigo et se sert.
Un ami ordinaire pense que votre amitié est finie après que vous
vous soyez querellé.
Un ami véritable sait qu'une amitié se trempe dans une querelle
et en ressort plus forte.
Un ami ordinaire s'attend à ce que vous soyez toujours là pour
lui.
Un ami véritable est toujours là pour vous.
Un ami véritable ? Celui qui reste à vos côtés lorsque tout le
monde vous a abandonné.
..................................................................
Un ami...
A ime que vous lui disiez ce que vous ressentez
B énit le jour où vous êtes rencontrés
C alme vos craintes
D onne sans attendre en retour
E st toujours prêt à donner un coup de main
F ait une différence dans votre vie
G arde ses amis dans son coeur
H armonise vos pensées quand elles se bousculent
I nvite ses amis à se connaître entre eux
J ubile quand vous réussissez
K laxonne devant pour que vous passiez
L it cette liste et pense à vous
M aximise vos qualités
N e juge jamais
O ffre son support
P arle si on vous cache quelque chose
Q uestionne vos certitudes
R emonte votre moral
S ait dire des choses sympas sur vous
T éléphone juste pour dire "Comment ça va?"
U tilise les mots justes au bon moment
V ous accepte tel que vous êtes
W eek-end ou pas, il ne vous abandonne jamais
X -trêmement indulgent, il pardonne vos erreurs
Y a-Qu'à, il ne connaît pas, il agit
Z éro problème, il vous aime!
hira72 | 16 Aprily, 2006 00:11
Fety ny andro e!fety ny andro dia handeha hamangy fianakams aloha androany.Mety hivory kely mantsy ny fianakaviana dia mahafinaritra e!
Ny malaza aloha dia tsy dia misy loatra fa izao malomaloka izao ny andro!
fa izao marina e:ity ny skyblog an'i eric raha mba misy te hanisy maso ny sarin'i lery: http://ericn9.skyblog.com/
Ny ahy moa dia tsy haiko izay nahazo an'i skyrock fa dia toa hoe nanova serveur hono ry zalahy dia be ny skyblog very tao ka anisany ny anay e!
Zay fa mirary fety antsika jiaby e!
hira72 | 15 Aprily, 2006 02:07
pff manirikiry rangaha ity manao lahatsoratra ity indraindray indrindra rehefa avy nanaoratra ianao ka avy eo misy popup misokatra (winfixer sy analyse en ligne) dia avy eo redirection automatique ny page ataonao dia vao miverina ianao dia tonga dia voafafa avy hatrany ny zavatra nataonao.Romotra mihitsy aho teo le aza an:hany hery? bloc note no sokafana ka izay vita dia copie-coller avy hatrany any amin'ny bloc note
Dia inona hono ny zavatra nambarako teo nefa voafafa avy hatrany?Dia lava loatra moa ilay izy teo ka na ny hamerina azy aza manirikiry ahy fa dia toy izao no famintinana azy.
Tsy afaka naoratra teto omaly satria nanao ny adalany i wanadoo omaly ka notapahiny ny connexion tato an-trano.Dia izao vao afaka e!Ny omaly moa tsy dia nisy vaovao afatsy ny hoe nanao fety tany amin'ny akama Papou omaly dia vory teo indray afrika manontolo ka dia tsy nisy vozongo nasaina aloha omaly fa dia revin'ny samy negro e!(racaille moa hoy ilay tsy vanona iry(sarko zany))
Niakatra tao ny William lawson ,sy ny whisky fa tsy dia namely firy ny akama satrai tsy laitra ilay voatery nanaopetite foulée faranyteo.Aiza ve rangaha ka dia petite foulée hatrany an-trano amin'ny iray maraina fa lamaka daholo ny bandy tato ka tsy natoky loatra aho na dia nisy nanao proposition hanatitra amin'ny daba hatrany an-trano aza.Ry Papou mamo ohatry ny alika ireny ve tsy hanao départ amerikanina eo ka tonga dia mivantana ary amin'ny poto ary le aza an!Indrindra amin'izao ry zalahy nanao asa etsy sy ero io hametrahana ny tramway.
Farany teo aza diso lalana ny bandy ka dia tany amin'ny sens interdit no nitonantonana ny fiara nitondra anay.
Ny meuf omaly no tsy dia nisy fa tsy dia nafana loatra ny lanonana .
ny hira no tena nanalana azy ka ity no natetika niverina tao:
http://www.unitednationsofhiphop.com/images/zoom/WPIBGO/2_face_african_queens.wmv
Dia hisy hilaza indray zao hoe hira afrikanina io e,tsy mamely e!isika gasy moa mihevintena ho tsy afrikanina izay.metisse hono ry lerony !lol
jereo fa mety ho tianao io:
ity ny tonony:
yeah, yeah, you are my african queen, oooh lord, oooh lord
just like the sun, lights up the earth, you light up my life
the only one, I've ever seen with a smile so bright
and just yesterday, you came around my way
and changed my whole scenery with your astonishing beauty
ah, you coulda make a brother sing,
you ordinary thing, a supernatural being,
I know you are just brighter than the moon
Brighter than the star, I love you just the way you are.
CHORUS
and you are my African Queen, the girl of my dreams.
you take me where I've never been
you make my heart go ting-a-ling-a-ling, oh ahh
you are my African Queen, the girl of my dreams
and you remind me of a thing
and that is the African beauty yahhh
yahh oooo you are my african queen, oh lord, oo lord hmm
out of a million you stand as one
the outstanding one
I look into your eyes, girl what I see is paradise,
yeah you captivated my soul, now everyday I want you more o o oo
How can I deny this feeling I'm feeling inside
ey oh no one can never take your place,
can never take your space,
thats a fact I cannot erase
and you, you are the one that makes me smile
make me float like a boat upon the nile.
oooo ooooo yaahhh yahhh oooo
you are my african queen and I know, oh yes I know hhn
you are my african queen and I know, see I know
See I know what I am feeling in my heart and in my soul
oh I know that it is love
And I know that this love was surely sent from up above
Cause you're the only one I think of
you are my african queen
and I know that this means that you're the only one that I will serve
I'll give you my heart, my love, my body and my money
Every other thing you think of
Who could think of anything better than you
Who could think of ever hurting you
Sacrifice my all, I'll give it all to you
cause you ar my african queen
for REAL
So black, so beautiful
I love you, I love you, I love you, munyemo, I love you, I love you, I love
you, munyemo, I love you, I love you, ooohhh yeah, my African Queen, I
love you, I love you.
jereo fa milay io e!
hira72 | 13 Aprily, 2006 00:26
Dia tsy hita aoha ny hatao hatreto fa dia izao manao internet izao dia mitsiditsidika site izay manome asa aloha.Gaigy be mantsy omaly fa tena nahatsiaro tena ho tena kamolahy mihitsy ny bandy nahita ny akama sinoa iray nanana daba alfa romeo iray izay.Latsa danja mihitsy aloha ny mainty ny tena marina raha oharina amin'ireo étranger hafa aty frantsa e!Aiza ve ka ny mainty aty tsy omena asa ary na mahita aza dia kely karama.rariny ihany rha nisy ireny crise de banlieu ireny ny tena marina.toa ataon-dry zalaht tsinontsinona loatra ny bandy mantsy .
efa nitety magasin aloha izao nametraka Cv tetsy sy teroa na dia tsy mino loatra aza hoe hisy andray.toa mody be resaka daholo mantsy ireo patron hita ka dia toa mody manafina ny tena ao an-tsaina.Aty frantsa aza na dia ny be sosy aza manao job d'été avokoa ka indrindra ny bandy kely tia revy ity tsy mahazo mipetrapetraka raha te hahazo daba amin'ny fidirana.mety ho masaka kokoa mantsy ny revy amin'izay.
hira72 | 12 Aprily, 2006 23:58
Ka inona hono no nitranag androany? tsy dia misy ambara firy aloha fa vao amin'ny 11 ora atoandro izao eto frantsa.ny adalana dia efa nanomboka vao maraina teo aloha fa dia noho ny akamoana sy noho ny havizanana be loatra omaly vokatry ny musculation natao ny alina dia tsy afaka nanatrika cours de maths aho androany.
Loza aman-tany anefa fa dia nieritreritra aho hoe satria tsy nanatrika maths dia handeha hanatrika Tp ao amin'ny salle d'informatika.Ka inona hoy ianareo fa tsy anjaranay kay ny manao TP androany fa ny groupe hafa.Izany hoe lany andro fotsiny aho nandeha nakaty amin'ny fac sady tapaka teo ilay toromaso milay be vao maraina iny.Izaho rahateo tsy nisakafo fa maika hamonjy ilay TP.
Soa ihany aloha fa dia nanaiky hamoha ahy ilay prof de Tp ka nanontaniako hoe rahoviana no anjaranay.Tsara vintana ihany anefa aho fa vao nivoaka ilay salle dia i Erci no hitako niaraka tamin'ilay sinoa akamanay iray izay.Cheng no anarany.Hisy levona indray zany ny revy androany ny tena marina
Dia tsy hay aloha inona indray no analana azy androany satria toa efa tapitra nataonay avokoa ny adalana rehetra aloha hatreto.Mety hanedha ho any amin'ny Mahadi nefa raha ho any dia ho mamo tahaka ny alika indray.Ny faranay teo aho nody amin'ny iray maraina mamo tahaka ny alika nefa misaotra an'Atra fa tonga tany an-trano ihany.Tsy nisy olon-dehibe moa tao an-trano fa ny ankizy ny tao ka tsy dia nisy olana firy aloha.
ny tena nahatsikaiky aho tamin'io andro io dia izaho voatery nanao petite foullée ka hatrany an-trano na dia mamo be aza.in-telo nianjera aho ny tena marina vao tonga tany an-trano.Nanomboka teo dia tsy nieritreritrany ho any amin'i mahadi ntsony aho aloha hatreto.
dia hanomboka hifototra amin'ny fianarana indray zany izao aloha satria vita hatreo ny grevy aty frantsa.Roa volana izay tsy nisy ninoninona vanona fa dia nitety tanana di ananao grevy no masaka teo..
hira72 | 12 Aprily, 2006 10:47
Ka inona hono ny nitranga androany?
Tsy dia misy azo lazaina loatra anio afatsy ny hadalana nataon'i Eric ato amin'ny fac.I eric moa tsy iza fa akama rwandais iray izay.kofa bogosy kely izay lol
Gaiyg be ny nitranga androany fa tena loza ny nafitsok'i eric.nivoaka ny salle talohan'ny fotoana ingahy rainy fa tena naneno tao amin'ny salle de TD ny portable.Olana be anefa miaraka amin'ireto vazaha ireto ny tsy mamono portable rehefa miditra trano fianarana ka hoainina be izahay telo mitsamy teny amin'ny faran'ny dabilio.
Ka inona moa fa dia voatery nivoaka ny salle i lery.Ny tena olana anefa dia ny vozongo rehefa mahita bandy mainty iray manao adalana dia lazainy fa ny mainty rehetra ny manao izany.Tsy ela akory anefa izay i Ismaila ilay akama senegalais iray izay nanao adalana ihany koa satria nivoaka ny salle tsy nahazo alalana.
hira72 | 12 Aprily, 2006 10:39
Riko no anarako.mpianatra informatika aty frantsa aho ary mipetraka aman'olona.
Ny tena toerana misy ahy dia aty amin'ny ile de france ary ireo afrikanina no tena mifandray matetika amiko na dia eo ihany aza ireo asiatika sy ireo frantsay miaraka matetika amiko.
hira72 | 12 Aprily, 2006 10:35
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |