Raha hanaraka ny fiainako an-davanandro

fanorona

hira72 | 08 Mey, 2006 09:02

mba sendra ni surf tamin'ny net raha ny bandy kely androany dia sendra ilay logiciel fanorona novokarini moo studio le aza an.Tsara aloha ilay izy e!tena niaky mihitsy aho,izany hoe tena saika hi -programmer jeu fanorona tamin'ny alalan'I KPL ah ny tena marina fa tena nanirikiry hy ilay izy satria compliqué be mila miova tactique isaky ny attaque mantsy ilay izy ka mila olona efa mahafehy tsara an'i KPL.Java koa aza ny an'ny sasany fa vita tsara an.Fa ity netborad 2 ity kosa aloha tena tsara e!Na ny endriny na ny filalao ao anatiny miaraka amin'ny table vita gasy ne feo ao tsara dia tsara na dia anglais sy français aza ilay izy dia misy mozika gasy en ond tena tsara e!Mba jereo ihany reto fa tena gasy io an.

 Fa ny olana kely tamiko dia izao:Tsy dia lalanan'ny fanorona feno no ampiasainy fa miampy kely tahaka ny hoe:mahazo mandingana case maro ianao rehefa mitifitra fa tsy voatery hoe case iray ihany.Izany hoe ny adveraire na misy case 5 aza ny manelanelana anao aminy dia azona tifirina.afaka milalao en ligne ianao ,en réseau na dia tsy dia mandeha tsara aza ilay izy ,na contre le CPU.Mba misy fikambanana fanorona ve any madagasikara sa ahoana e?

http://membres.lycos.fr/gasy/forum/

Hevitra

Re: fanorona

hira72 | 08/05/2006, 09:13

fa ity marina ilay lien raha sendra interessé amin'ilay fanorona ianao:

[url=http://www.cnetfrance.fr/telecharger/windows/fiche/0,39035651,39104558s,00.htm]ity[/url]

tsy gratuit ilay izy fa misy trial zany hoe version gratuit nefa azo lalaovina tsara tsy misy pub tsy misy ireny popup manakano hanao tsy hilalao ela ireny.

Saika hanome astuce kely aho mba hahafahanao milalao azy illimité nefa aoka ihany fa mba antsika io ka aoka mba hividy azy rehefa mba te hilalao ela.

Re: fanorona

lapino | 08/05/2006, 09:55

Misaotra e!
Tsara be ny finition-n'io jeu io, fa mandreraka be milalao azy amin'ilay fitsipi-dalao hafa. Lasa ohatra ny kilalao hafa manokana mihitsy ilay izy.
Ary ilay izy koa toa tsy maintsy laniana daholo izay azo hanina rehetra, fa tsy afaka hoe efa nihinana dia mijanona fa voky, ohatra ny lalanan'ny fanorona gasy.

Re: fanorona

hira72 | 08/05/2006, 21:07

vao nilalao azy voalohany aho dia gaga fa tena ahatsiarovana ny tena lalao fanorona ilay izy.Tsy azoko mihitsy aloha ny lalanan'ilay izy tamin'ny voalohany.Nony efa nilalao elaela aho vao nahatsikaritra ny tokony hatao dia efa maitriseko tsara ilay izy izao.

Re: fanorona

hery | 08/05/2006, 21:52

Toa efa tsy fanorona intsony raha izany.
http://www.gamerz.net/~pbmserv/fanorona.html dia ahitana @ fomba tsotra dia tsotra ny "possible moves" amin'ny fanorona.
http://www.ics.uci.edu/~eppstein/180a/projects/fanorona/ dia misy fanorona vita amin'ny Java izay manaraka an'io fitsipika ara-dalàna io.

Re: fanorona

hira72 | 09/05/2006, 00:02

efa teo amin'io site io ny tena marina.Tsara koa aloha ilay izy io e!efa nalaiko aza moa ilay code source en java.Fa mba tiako hatao amin' ny KPL fotsiny ilay izy.
Fa hono hoy aho :tsy mba misy association gasy milalao azy io en ligne ve?

Re: fanorona

Tadio | 09/05/2006, 06:37

Tsy inoako hoe misy association gasy milalao fanorona en ligne ry Hira72 fa ny fikambanan'ny mpilalao fanorona any Dago no fantatro ny fisiany. Asa na tadidinao fa nisy an'izay toerana nantsoina hoe Lapan'ny fanorona izay tao ambadiky ny Rarihasina ao Analakely. Teo ampitan'ireo mpivarotra komban-dravina lavalava. Asa na nafindra nankaiza izy io ankehitriny.

Tsy efa i hira72 v izany no tokony hanentana ny olona hilalao azy ity en ligne raha ny lojikany?

Re: fanorona

lapino | 09/05/2006, 14:09

Tsy milay ihany ilay fanorona io, fa za tsy mahay fanorona indrindra ity mbola mahazo an'izao ihany jereo eto, ohatra ny tsy milalao :) Fa ilay intelligence artificielle-n'le izy aloha dia tsy intelligent mihitsy e! ohatra ny tsy misy akory. Ilay taimbava keliny madinidinika tsy mifanaraka amin'ny evenement misy akory.
Fa ilay java io no tsara, na tsy misy an'ilay resaka vela aza. Fa mazotoa ra-hira72 mamadika azy ho KPL, dia mba izarao a. Mba hazavao koa raha mety ny firafitr'ilay code-ny e. :)

Re: fanorona

hira72 | 10/05/2006, 01:10

Fa inona ny olana e!Toa hitako fa tsara ihany ilay izy rehefa azoko ny filalao azy.Mila zatra ny fandehany izany ny tena marina.Fa ny olana aminy dia ilay izy tsy manova tekinika fa rehefa hitanao ny filalao azy dia hitanao hoe tahaka izo foana ny filalaony dia ataonao tahaka an'iny foana izy dia resinao foana.

Re: fanorona

lapino | 10/05/2006, 01:20

Ny olana voalohany dia izay: mandresy foana fa tsy mety resy mihitsy. Efa 1 sisa no vatoko, ny azy mbola misy 10, mbola mandresy ihany ah! Mitolo-batana fotsiny izany le izy tsinona.

Re: fanorona

Cindy | 15/05/2006, 02:32

Great work!
http://jejtthwc.com/irri/xnsn.html | http://ccbycria.com/zeif/ysrp.html

Re: fanorona

Hery | 12/06/2006, 22:34

Mba hialana amin'ny tsikera tsisy dikany dia jereo ao amin'ny http://admin.blaogy.com/post/1/704

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb