Raha hanaraka ny fiainako an-davanandro

anio 05/05/06

hira72 | 04 Mey, 2006 19:50

Tsy dia misy ambara loatra anio ankoatra ny areti-nify somary namely kely hatry ny omaly ka hatramin'izao manoratra izao.nanao tsinontsinona ny nify ihany mantsy ny bandikely tany amin'ny tanana ka nihinana izay tsy fihinana rehetra,ny bonbon sy ny sisa moa tsy noferana mihitsy.Taty moa vao tena nahita fa tsy fatao ambanin-javatra io nify io.Goaka be mantsy ilay nify nefa moa raha tsy nararay tsy novakiana loha ka teo vao tena hita fa tena tsy laitra ity areti-nify ity.

   Iza marina aloha no olona efa narary nify no tsy mahalala izany hoe tena marary izany.Ataoko fa raha aretina mpahazo ny olona andavanandro ka isan'ny henjana indrindra dia ity areti-nify ity.Na izay miseho ho azy ho henjana indrindra aza mitomany rehefa tena sendra izy manaikitra be iny.Ianao amin'io tena te tonga dia haka pince dia tonga dia hanongotra azy avy hatrany,nefa dia miahotra kely satria na dia ny hikitika ilay nify aza tsy vintanao ,ny vatanao mangovitra,ny tongotra malemy,ny ranomaso latsaka,ny hatsembohana tsy lazaina intsony.Sady ilay adala moa araka ny mahazatra dia tsy mihetsika raha tsy alinany andro.Ianao amin'io tsy manana fanafody ao an-trano,ny pharmacie mihidy.

   Io anefa no nahazo ny bandikely omaly,ny olana anefa ,na dia nisy fanafody aza tato an-trano satria moa matetika ny olona aty dia manana toerana kely fitehirizana fanafody isan-tokantrano,dia tsy dia nandaitra tamiko loatra ilay fanafody fa tsy haiko ny antony.Ankoatr'izay tsy azo hanina raha tsy isaky ny adiny efatra ilay izy ka dia nijalijaly mihitsy aho teo.Novakiana ny boky roman mba hanalana azy ka tsy namely:Ka hatramin'ny roman an-dry ASIMOV avy no nandalo teo fa tsy nanova azy,nalefa koa science&Vie ,ny boky tunning,nojerena ireo sarina sipa fa hehe tsy nanova azy e!Tsy hino angamba ianao raha hilazako fa hatramin'ny baiboly avy no novakiako alina fa tsy nanova zavatra:((

   Dia ny nahatsikaiky sady nanirikiry moa dia vao mainka i lery nanaikitra rehefa iny namonjy fandriana iny aho.Niolankolana teo aloha,ankavia,ankavanana,mitsilany,mitsingolika,mivezivezy manerana ny trano,mijery ora kely ,mody mieritreritra zavatra hafa nefa ilay nify mbola aoan-tsaina foana,nankao amin'ny salle de bain,nanao bain de bouche kely,nankao amin'ny garage nijery pince hanongotana ilay nify nefa dia nieritreritra hoe :raha handeha ra be eo io dia ahoana??

  Tsy nahartra moa ny farany,dia nivoaka ny trano,petite foulée kely eny amin'ny arabe,ny ora amin'io efa minuit:nefa moa aty tsy dia  atahorana tahaka ny tany amin'ny tanana fa ny poulet(polisy) no manirikiry taorian'ireny Crise des banlieux

 Dia niaverina natory moa dia nijalijaly teo dia indro fa amin'ny enina ora sahady dia nitsangana dia izao manoratra eto amin'ny blaogy izao:draidraidray......kay....izay fa manomboka marary indray ilay nify fa vonjeo e!!!!!!!!!!!!!avelako eto ianao fa tena manomboka mamely indray lery ity.

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb