Raha hanaraka ny fiainako an-davanandro

rafozambavy

hira72 | 04 Mey, 2006 01:47

Dia indro Ranaivo mandondona ao ambaravaran-Drajao

 -Manahoana Ianao Rajao

 -Manahoana,Fa misy inona no tonga vao maraina izato izy

 -Tsy izany fa tena nokekerin'ny alikanao ny rafozambaviko omaly

-Hay hay loza izany,Aza matahotra fa afatotro izy raha izany,ka inona no azoko atao,mila fanonerana va ianao sa ahoana?

-Draidraidray tsy mila fanonerana aho akory sanatria,fa mba tiako hovidiana hoy aho io alikanao io!!!!!!

Hevitra

Re: rafozambavy

hira72 | 04/05/2006, 02:02

Indro Ranaivo miriotra mandositra sady miantso vonjeo:
-Fa inona no mahazo anao ravinanto an?!!!!!
-Mba loza rangahy izany raha fitovianan-javatra le aza an
-Fa fitoviana inona moa ity lazainao fa tsy azoko
-ka mampihomehy hoy aho fa tena raha tena noheveriko fa ilay pitt bull an-drajao ianao ,soa ihany fa nanao lokomena ianao androany raha tsy izany lahy dia efa nodarohiko ity laona ity mihitsy
-Vinantolahy tsy vanona ,rahampitso ihany ianao dia sarahiko amin-janako

Re: rafozambavy

hira72 | 04/05/2006, 02:20

Indreto ny vinantolahy roa tafaresaka:rabenja sy ranaivo
Ka hoy ranaivo:
-Efa notantaraiko an'ialahy moa rabenja ilay momba ny rafozam-baviko voalohany?
-tantarao indray lesy fa tena mahatsikaiky ahy iny tantara iny
-Ny andron'ny fampakarana lesy e,izaahy sy rafotsy irery no tao an-trano,fa nikarakara ny fampakarana moa.Dia rehefa vita ny fikarakarana dia hoy rafotsy
-mba tsara tarehy ianao ity ranaivo.mba tiako raha hanao firaisana kely eto isika alohan'ny fanambadianao,fa tsara tarehy tahaka an-janany moa rafotsy ,ny tena koa mbola tanora tamin'izany.
-dia inona marina moa no nitranga avy eo?hoy rabenja nanadihady
-dia lasa rafotsy nandry niandry ahy sady nilaza hoe:raha tsy mety ianao dia ataoko fa hitanao ny varavarana fivoahana ny trano.
-dia avy eo? hoy rabenja tsy nitsahatra nanadihady.
-dia nirimotra nivoaka aho lesy e!
kanefa inona hoy ialahy no indro tazako teo anoloana ny sarety?
-????
-indro ny rafozandahiko mitsikitsiky sady nanoroka ahy no nilaza hoe:olona tsara ianao ranaivo ka ataoko fa ianao no mendrika an-janako
-Eny hoy aho faly fa tsara vintana
-Tsara vintana ahoana moa lesy?
-Ka nirimotra haka ilay kapaoty tao anaty harona adinoko tao anaty sarety no tena nivoahako anie lesy e!Ka soa ihany fa tsy tato anaty paosy tahaka ny mahazatra ilay izy tamin'io andro io!!!!

ha ha ha

Re: rafozambavy

hira72 | 04/05/2006, 02:37

Dia mbola tafaresaka ihany ranaivo sy rabenja:
Efa notantaraiko an'ialahy moa lesy ilay fony izaho nanambady faharoa?
-tantarao indray lesy fa tena mba nahatsikaiky koa iny
-Tsy izany lesy fa tena nasain-drafoza aho tamin'izay.Ary tamin'io dia nanome toky ahy ilay vadiko fa hiara handry voalohany izahay (azon'ialahy moa ny tiako hambara)
-Dia ny harivan'iny moa ny tena dia niriotra.nandeha nividy kapaoty tao amin'ilay farmasia tetsy ambany atsinanana
ny tena moa be resaka dia faly nitantara an'ingahy mpivarotra ny zavatra mety hitranga ny alin'io.
-Ka inona moa no nitranga?
Teo am-pisakafoanana ny harivan'io dia hoy rafotsy:
-Tsy nampoiziko ho saron-kenatra ohatr'izao ianao ranaivo
Dia hoy koa aho namaly azy mora hoe:
-Tsy nampoiziko ho ingahy radona mpitana ilay farmasia etsy ambany atsinanana i dadanareo.
-Dia ahoana lesy?
-tsy niala teny amiko mihitsy lesy ny fijerin'ingahy radona nitsiky tsy ravina.

Re: rafozambavy

hira72 | 04/05/2006, 02:43

-Tonga tato an-trano ange lesy rafozambavy omaly rabenja e!
-Dia inona indray lesy no nitranga?
-Vao teo am-baravarana lesy dia hoy aho:
Mba elaela izay ianao rafozambavy tsy hita,ka hijanona ato aminay mandritra ny firy andro ianao?
Dia hoy izy namaly tsiravina
-mandrapahaleo anao

dia hoy aho :
-Ka tsy aleonao ve mijanona misotro kafe kely aloha?!!!

-

Re: rafozambavy

hira72 | 04/05/2006, 02:54

indro ranaivo mivady mifamaly:
-ranaivo ô,hoy dety vadiny
-inona indray radety an!
-Nataonao aiza indray ilay bokikely milazalaza ny tokony hatao mba ho tsy ho faty haingana sy haharitra ela vao ho faty?
-Efa nariako efa ela iny radety malala ô
-Fa nahoana kosa? ny volako anie no nividianako an'iny e?
-ka loza ange ramatoa ,fa tratrako namaky an'iny boky iny i rafozambavy tsy ela akory izay e?
ka hitanao amin'izany ny loza mananontanona!!!!!

 
Powered by LifeType - Design by BalearWeb