Raha hanaraka ny fiainako an-davanandro

raha te hihaino ireo hira kaiamba sy ireo 45 trs fahiny

hira72 | 23 Aogositra, 2006 07:04

Mba tsy nisy natao androany dia mba nanala azy nanao blog kely nasiako ireo

hira 45 trs fahiny efa tsy fahita intsony ireny.Ao ohatra ry jean fredy,ry tongarivo sns,maro tsy voatanisa no ho hitanao ao sady azo henoina tsara tsy mila lecteur winamp sns,rehefa misy flash player ,na java fotsiny dia efa masaka.

  Miaraka amin'ny tonikira izy ireo (tsy ny rehetra mazava ho azy)

Ka tsindrio ny hoe hihaino hira dia vita ny afera.

Hira an-jatony maro no nataoko ao ka aza misalasala mihaino fa ao na mahaleo(hira am-polony),kaiamba (rehetra),njakatiana(Hira am-polony),Samoela sns......

  raha misy manana hira atolotra dia mba alefaso ao amin'io site io fa apetraka

Ny tanjona dia ny mba hahafahan'ny hafa hankafy ny hira tena malagasy.

Marihina anefa fa izao mametraka hira fa tsy manome hira en téléchargement satria mba miaro ny zon'ny mpamorona ihany koa.
 

 ka indro ny lien misy ilay blog:

   http://gasy72.livedigital.com/blog
 

Hevitra

Re: raha te hihaino ireo hira kaiamba sy ireo 45 trs fahiny

Tadio | 24/08/2006, 14:56

Milay eh! sady misaotra betsaka an'i Jentilisa nisahirana.

Re: raha te hihaino ireo hira kaiamba sy ireo 45 trs fahiny

Tadio | 28/08/2006, 01:08

Mba mangataka "fandikan-teny hoamin'ny teny ofisialy an'ity hira ity aho ry Jentilisa sao dia mba hainao? Miady hevitra mantsy izahay mitsam ato hoe izao no tian'izany ho tenenina, d naleo mitady mpandika teny :-) mba hahamora azy.

=============

AMPORATIANA

Tsy niako nanina e !

ny hisaraka aminao o

fa vintana tsiana tsy mitovy

tsy afaka hiaraka e

Nianjovy meha alesy

ny hisaraka amin-draha tiana e

fa tsy hanjara ka megnina

na dia be aza ny negnina

E E aporatiana e !

Mionogna aro

Nadôzaka anô aby igny raha tsy nia

Mangidy koa mihoatra ny via e !

Fa ho anigna tsy satry migna atsia

Hoe aporitiana e mionogna arô

Apôratiana mionogna a

Aza arahin-tomagny zaho o

Manjary malahelo lava e

Sitrano ny fonao atodio ny segna

Zahano ny ho avy aza mitaregna e

Refrain…

E apôratiana mionogna e

Tsy niako anie ny nandao anô igny e

Fa andriamanitra mandahatra i raha jiaby

K'izany no fantany fa ahatsara

Mionogna mionogna angahy an !

Refrain…

Re: raha te hihaino ireo hira kaiamba sy ireo 45 trs fahiny

Su | 28/08/2006, 05:30

Sarotra be ilay mamaky azy. Raha henoko ilay hira dia azoko tsara izay tokony lazainy. Fa ity aloha no azoko ho lazaina. Teny betsimisaraka io ka haiko tsara fa izaho tany Toamasina no nahalehibe ahy.

Ilay amporatiana angamba anaran'ilay olona nisarahany? Na koa mety hoe am-po raha tiana (ao am-po ny zavatra tiana)

Tsy fanahiniako ny hisaraka aminao,
fa ny vintantsika tsy mitovy
tsy afaka hiaraka e.
Sitrak'iza moa letsy
ny hisaraka amin'olon--tiana
fa tsy anjara ka mionona e
na dia be aza ny nenina.
E E... Mionona aro (ity aro ity dia teny kely manome loko izay lazaina ka tsy misy handikana azy amin'ny malagasy ofisialy: ohatra: za zany aro te-hody aminey e, toa izany koa ilay atsia sy angahy etsy ambanimbany etsy)
Ny nandaozako anao iny anie ka tsy ninia e
Mangidy ve mihoatra ny via
fa hohanina tsy satry ihany e (ny via dia zavatra maniry eny anaty rano toa an'ny saonjo ka manaiki-tenda be raha toa ka sendra tonga any am-bava. Hanin'ny olona anefa ny voany, satria rehefa andrahoana dia tsy manaiki-tenda intsony)
Mionona aro...

Aza hitomaniana aho
Manjary malahelo lava
Sitrano ny fonao
Manaria dia (segna eto dia saina)
Jereo/todio ny ho avy aza mitaraina

Refrain
E aporatiana, mionona e
Tsy fanahiniako anie ny nandao anao iny e
Fa andriamanitra mandahatra ny zava-drehetra
Ka izany no fantany fa hahatsara
Mionona, mionona re a.

Hantenaiko fa ampilamina ny adihevitrareo io.

Re: raha te hihaino ireo hira kaiamba sy ireo 45 trs fahiny

Tadio | 28/08/2006, 13:57

Misaotra betsaka an'i SU tamin'ny fandikan-teny fa mazava tsara. Mitovy amin'ny fahazoako azy ihany no nandikanao ny tonony fa dia mankasitraka.

Re: raha te hihaino ireo hira kaiamba sy ireo 45 trs fahiny

Su | 29/08/2006, 08:29

Tsy misy fisaorana e!

Re: raha te hihaino ireo hira kaiamba sy ireo 45 trs fahiny

hira72 | 29/08/2006, 10:18

Dia misaotra anareo nitsidika ilayblog aloha e!
fa izao tsy jentilisa akory ity fa Hira72,tsy azoko hoe inona no mahatonga nareo milaza hoe jentilisa

Niampy ilay lisitry ny hira azo henoina fa misy mahaleo ,salala,zay ,tselonina, sns tsy voatanisa
[url=http://gasy72.livedigital.com/blog]tsindrio eto raha te hihaino hira avy hatrany[/url]

Aza misalasala manao tsikera e!

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb