Raha hanaraka ny fiainako an-davanandro

anio 13 aprily 2006

hira72 | 13 Aprily, 2006 00:26

 

 Dia tsy hita aoha ny hatao hatreto fa dia izao manao internet izao dia mitsiditsidika site izay manome asa aloha.Gaigy be mantsy omaly fa tena nahatsiaro tena ho tena kamolahy mihitsy ny bandy nahita ny akama sinoa iray nanana daba alfa romeo iray izay.Latsa danja mihitsy aloha ny mainty ny tena marina raha oharina amin'ireo étranger hafa aty frantsa e!Aiza ve ka ny mainty aty tsy omena asa ary na mahita aza dia kely karama.rariny ihany rha nisy ireny crise de banlieu ireny ny tena marina.toa ataon-dry zalaht tsinontsinona loatra ny bandy mantsy .

    efa nitety magasin aloha izao nametraka Cv tetsy sy teroa na dia tsy mino loatra aza hoe hisy andray.toa mody be resaka daholo mantsy ireo patron hita ka dia toa mody manafina ny tena ao an-tsaina.Aty frantsa aza na dia ny be sosy aza manao job d'été avokoa ka indrindra ny bandy kely tia revy ity tsy mahazo mipetrapetraka raha te hahazo daba amin'ny fidirana.mety ho masaka kokoa mantsy ny revy amin'izay.
 

Ny zava-nitranga anio 13 Aprily 2006

hira72 | 12 Aprily, 2006 23:58

 

Ka inona hono no nitranag androany? tsy dia misy ambara firy aloha fa vao amin'ny  11 ora atoandro izao eto frantsa.ny adalana dia efa nanomboka vao maraina teo aloha fa dia noho ny akamoana sy noho ny havizanana be loatra omaly vokatry ny musculation natao ny alina dia tsy afaka nanatrika cours de maths aho androany.

   Loza aman-tany anefa fa dia nieritreritra aho hoe satria tsy nanatrika maths dia handeha hanatrika Tp ao amin'ny salle d'informatika.Ka inona hoy ianareo fa tsy anjaranay kay ny manao TP androany fa ny groupe hafa.Izany hoe lany andro fotsiny aho nandeha nakaty amin'ny fac sady tapaka teo ilay toromaso milay be vao maraina iny.Izaho rahateo tsy nisakafo fa maika hamonjy ilay TP.

   Soa ihany aloha fa dia nanaiky hamoha ahy ilay prof de Tp ka nanontaniako hoe rahoviana  no anjaranay.Tsara vintana ihany anefa aho fa vao nivoaka ilay salle dia i Erci no hitako niaraka tamin'ilay sinoa akamanay iray izay.Cheng no anarany.Hisy levona indray zany ny revy androany ny tena marina

    Dia tsy hay aloha inona indray no analana azy androany satria toa efa tapitra nataonay avokoa ny adalana rehetra aloha hatreto.Mety hanedha ho any amin'ny Mahadi nefa raha ho any dia ho mamo tahaka ny alika indray.Ny faranay teo aho nody amin'ny iray maraina mamo tahaka ny alika nefa misaotra an'Atra fa tonga tany an-trano ihany.Tsy nisy olon-dehibe moa tao an-trano fa ny ankizy ny tao ka tsy dia nisy olana firy aloha.

   ny tena nahatsikaiky aho tamin'io andro io dia izaho voatery nanao petite foullée ka hatrany an-trano na dia mamo be aza.in-telo nianjera aho ny tena marina vao tonga tany an-trano.Nanomboka teo dia tsy nieritreritrany ho any amin'i mahadi ntsony aho aloha hatreto.

    dia hanomboka hifototra amin'ny fianarana indray zany izao aloha satria vita hatreo ny grevy aty frantsa.Roa volana izay tsy  nisy ninoninona vanona fa dia nitety tanana di ananao grevy no masaka teo..
 

Ny zava -nitranga anio 12 avril 2006

hira72 | 12 Aprily, 2006 10:47

 

 Ka inona hono ny nitranga androany?

    Tsy dia misy azo lazaina loatra anio afatsy ny hadalana nataon'i Eric ato amin'ny fac.I eric moa tsy iza fa akama rwandais iray izay.kofa bogosy kely izay lol

    Gaiyg be ny nitranga androany fa tena loza ny nafitsok'i eric.nivoaka ny salle talohan'ny fotoana ingahy rainy fa tena naneno tao amin'ny salle de TD ny portable.Olana be anefa miaraka amin'ireto vazaha ireto ny tsy mamono portable rehefa miditra trano fianarana ka hoainina be izahay telo mitsamy teny amin'ny faran'ny dabilio.

   Ka inona moa fa dia voatery nivoaka ny salle i lery.Ny tena olana anefa dia ny vozongo rehefa mahita bandy mainty iray manao adalana dia lazainy fa ny mainty rehetra ny manao izany.Tsy ela akory anefa izay i Ismaila ilay akama senegalais iray izay nanao adalana ihany koa satria nivoaka ny salle tsy nahazo alalana.

Iza moa ny tenanay

hira72 | 12 Aprily, 2006 10:39

 

   Riko no anarako.mpianatra informatika aty frantsa aho ary mipetraka aman'olona.

    Ny tena toerana misy ahy dia aty amin'ny ile de france ary ireo afrikanina no tena mifandray matetika amiko na dia eo ihany aza ireo asiatika sy ireo frantsay miaraka matetika amiko.

Tonga soa hira72!

hira72 | 12 Aprily, 2006 10:35


 Tonga soa eto amin'ity blaogy ity ianao.Ity blaogy ity moa dia nataoko hitantarako amin'izay liana ny fiainana hianako an-davanandro.Ao ny zavatra mampihomehy sy ny mahatsikaiky.Eo ihany koa ny alahelo sy ny adalana kely atao e! Ialana tsiny mialoha aloha raha mety hisy teny handratra anao ato an!mety hisy teny tsy hahafaly anao koa fa izay moa ny hoe fiainana an-davanandro ka dia mazotoa aloha mamaky
«Mialoha   1 2 3 4
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb