Raha hanaraka ny fiainako an-davanandro

Vinantolahy tafaresaka

hira72 | 04 Mey, 2006 01:29

 

Notapahiko ange lety ny rambon'imavokely e (alika)

-Fa nahoana le aza an

-Ka ho avy ange rafozambay sabotsy e!

-Dia inona ny ifandraisany amin'ny rambo tapaka

-Ka sao hihevitra eo ange rafotsy hoe misy faly amin'ny fahatongavany e!

 

capitaine crochet

hira72 | 04 Mey, 2006 01:29

 

Comment le capitaine Crochet est-il mort?
- En se grattant les couilles.

johny sy david haliday

hira72 | 04 Mey, 2006 01:29

 

 -Dada dada,jereo fa misy sambo iry e!

-Tsy sambo lesy iny fa Yacht an.

-Dia ahoana ny fanoratra izany aza?

-Hay marina tokoa ny lazain'ialahy,sambo tokoa iny!

ha ha ha

Ilay lohasolan'i dadabe!:)

hira72 | 02 Mey, 2006 12:14

Indray andro hono ,dia iny dadabe mangovingovitra miaraka amin'ity zafikeliny mitsidika ny saha ary mananararaotra ny andro tsara !

   Dia hoy ingahirainy:

   -"Mba tsara letsy ny natiora sady vita tsara "

 Tsy tapitra akory anefa ny tenin'ingahibe dia indro vorona nametaka kadoha tsara tarehy teo an-tampondoha solan'ingahibe "

 Dia tapaka ny tsinain'izandrikely

   "Dia mbola hilaza ihany ve ianao fa vita tsara ny natiora"

   "Ka hoy ingahirainy dia tsy isalasalana letsy izany,eritrereto hoe iretsy ombivavy iretsy no nataony nanan'elatra!"

        ha ha ha ha

ireny zaza ireny

hira72 | 02 Mey, 2006 12:02

indray andro hono!Dia ity zazavavikely iray nanontany ny mamany ny fomba niaviany teto an-tany

  "Fa ahoana kay ry mama no nahatongavako teto amin'ity tany ity"

Dia namaly mamany  sady nifidy tsara izay teny hambara:

   "Andriamanitra no nanome anao anay "

 "Dia ianao koa ve tahaka izany ry mama,izy koa no nanome anao?"

 "eny izy ihany koa"

"Dia Dadabe ,Nenibe,dia ny ray aman-dreniny koa ve?"

"Eny izy rehetra ireo"

  Dia namaly ary ity zaza izay fantantsika ankehitriny fa malala zavatra ka nilaza hoe:

   "Dia Raha azoko tsara izany dia tsy nisy nanao firaisana mihitsy tato amin'ny fianakaviana Nandritra ny 200 taona? :)))"

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb